FANKALAZANA NY FAHA-15 TAONA NY SAMPATI AMBATONAKANGA

@ ity taona 2007 ity ny SAMPATI Ambatonakanga Fivondronana faha-14 dia hankalaza ny faha-15 taona nijoroany. Misy araka izany ny fandaharan’ asa nokasaina ho tanterahina, toa ny hoe : ny fitadiavam-bola, ny lasy tafika masina, ny lasy lehibe, sns

 

Fa @ Alahady 11 febroary 2007 izao ny fanokafana ny fankalazana arhina Assemlé genéral

 

mbola ho hitatsika miandalana eny ihany ny tohiny amin’ ity fankalazana ity. misaotra indrindra

 

tanana akaiky ny fo

SALANITRA E !

Salanitra e!

 

faly miarahaba an’ ise ny SAMPATI Ambatonakanga Fivondronana faha-14.  ity blog ity moa dia vao nisokatra tsy ela akory izay ka ialan-tsiny amin’ ny tsy fahatomombanana. na izany aza anefa, hiezaka ihany ny tenanay hanatsara azy miandalana, ka noho izany dia mila ny soso-kevitrareo izay mitsidika.

Misaotra indrindra. 

Ny nahaterahan’ ny Skotisma

BMSBaden Powell

 

Baden Powell (BP)

 

 

 

Teraka tamin’ ny 22 febroary 1857 tao Stanohone street, Londre i Robert Stephenson Smyth Baden Powell na i BP.

 

Io lehilahy io no namorona ny fikambanana skotisma eran-tany.

 

Azo ambara fa ny tena nahatonga an’i BP hiala tamin’ ny asany dia ny fampirisin’ ny namany maro hokaroka hevitra mba hitaizana ny tanora amin’ ny alalan’ ny skotisma.

 

Namoaka boky maromaro izy izay vokatra ny fandinihina sy fikarihana mikasika ny tanora.

 

Isan’ireo Manam-boninahitra anglisy nandeha niady tamin’ ireo holandey nanjanaka ny Zoulou tao Afrika Atsimo izy, ka nahita izao fampitahana izao : hitany fa mitovitovy amin’ ireo Mena hoditra any Amerika ny fombafomba sy fihetsik’ ireo Zoulou ireo dia ireto avy izany, tsy very mandeha, mahay mitady, mahay mikarokaroka, mahay miray hina… Tetsy andaniny kosa ireo miaramila anglisy tarihiny, mora reraka, mora kivy, mosa very an-dalana, sns..

 

Toa izay raha resaha tsotsotra ny antony nahatonga an’ i BP hanorina ny fikambanana iray afaka mitaiza tanora sady manana vatana tomady, saina maranitra ary fanahy mivavaka. koa tamin’ ny taona 1909 no niorina tany Angletera ny Antoko skoto voalohany izay mbola zazalahy ihany no mpikambana tamin’ izany.

 

Ny tarigetra fototra ijoroan’ ny fikambanana skoto, arak’ i BP dia hoe : » Hanorina olom-pirenena vanona manasoa ny taniny »

 

 



La vie de la base des gléna... |
CLUB PÊCHE MOUCHE DE METZ |
Retrouvailles sentiers 1997 |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | FONDATION INTERNATIONALE DE...
| Comité locale Désirs d'aven...
| AMICALE LAÏQUE LAVAUSIENNE